Fananganana orinasa : nampahafantarina ny tanora ny tokony halehany

Nanatanteraka fampiofanana mahakasika ny antanantohatra tokony haleha rehefa hanangana orinasa ho an’ireo tanora ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, tamin’ity herinandro ity.
Nahatratra 118 ireo tanora liana ka nisoratra anarana ary nozaraina ho vondrona 4. Tanjona ny hanampiana ny olona hahafantatra bebe kokoa ny lalàna mifehy raha mitantana orinasa. Ny ambaratonga lalovana raha hanangana orinasa, ialana amin’ireo mpijirika sy mpisoloky mpikarakaraka antontan-taratasy etsy sy eroa.
Tafiditra ao anatin’ny Po­litika ankapoben’ny fanjakana amin’ny andry voalohany misahana ny
fampiroboroboana ny lo­ha­ranon-karena mifototra amin’ny maha olona rahateo ny fiofanana.
Kendrena ny fanohanana hatrany ireo mpisehatra amin’ ny fandraharahana sy ireo maniry ny hiditra amin’izany sehatra izany.
Betsaka ireo tanora maniry hanangana orinasa madinika na efa mpandraharaha mihitsy saingy tsy mahafantatra ny rafitra misy sy ny antontan-taratasy ilaina hidirana amin’ny maha matihanina sy ara-dalàna. Manampy azy ireo indrindra ny fiofanana nomena.
Iandraiketan’ny fitaleavana ankapobeny misahana ny fampananan’asa ao amin’ny minisitera ny fampiofanana. Teo koa ny talen’ny Fam­piofanana mitohy ary ny Fanamafisana ny fahaiza-manao (DFCRC), Rakoton­dra­manana Tiana.

Tatiana A

Partager sur: