INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ambohimanambola sy ny kaominina ambanivohitr’i Masindray. Hentitra ny fanajana ny fenitra mba ho fotodrafitrasa maharitra no vita eo. Takina amin’ny orinasa, araka izany, ny kalitao tsara. Ny Faritra Analamanga dia maneho hatrany ny fialantsiny noho ny fanelingelenana ho an’ireo mpampiasa lalana noho ny asa fanamboarana.
Nizara fitaovana ho an’ireo mpianatra hiatrika fanadinana CEPE ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Manodidina ny 400 isa izy ireo no nisitraka izany tao amin’ny EPP Sabotsy Namehana, EPP Ankadikely, EPP Andafiavaratra, EPP Andavamamba ary EPP Antandrokomby Anosizato.Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy sy ny hetsika firaisankina ho an’ny ankizy izany.

Partager sur: