Sambany! Hatrizay nisian’ny fifidianana no nisy fotoam-pitsarana miezinezina tahaka izany tao Ambohidahy, Lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, HCC. Feno hipoka sy afaka nifandaha-kevitra tsara ny mpifanandrina politika na ny kandidà. Nafana ny fifanohanan-kevitra, nentina nandresy lahatra ny mpitsara ambony. Samy nanao izay ho afany na ny mpitory na ny notoriana. Tsy maintsy miaro tena sy miaro ny vatony avokoa satria efa fara famonjena ny HCC. Izay tafavoaka eo no mivoaka ho mpandresy amin’ny didy tsy azo hivalozana.
Tsy mahagaga ny zava-miseho. Mahavelombolo aza ny fivoaran’ny raharaha politika. Ahitana taratra ny fivoaran’ny tanora sy ny fipoiran’ireo zandry aty aoriana izany. Raha jerena akaiky ny raharaham-pitsarana, omaly, hita taratra fa efa mihavery tsikelikely ny hasin’ireo mpanao politika « galifantsy ». Manomboka sahy mijoro ireo mpandimby. Tsy misy afaka ny mitompo teny fantatra ho tompon’ny fahefana avy hatrany.
Na inona na inona didy mivoaka avy amin’ny mpitsara avo. Zava-dehibe ny fanajana ilay demokrasia. Aiza koa moa no dia tsy maintsy hitovy foana ny hevitra? Samy mba manana ny nofinofiny sy ny kajikajiny isan-karazany rahateo. Mila mahay maka lesona sy mahay mandini-tena fotsiny daholo. Politika no lalaovina ka tsy tokony hifamotika ny samy olombelona.
Inoana fa samy baikoin’ny fitiavan-tanindrazana avokoa matoa manao adisisika mafy. Sanatrian’ny vava izay hoe tombontsoa manokana na fikatsahana ilay tsy maha maty manota sy tsy azo enjehina. Miandrandra zava-baovao, mahitsy sy marina ilay Malagasy tsivakivolo. Miandry fomba fiasa anaty mangaraharaha sy fanarahan-dalàna. Tsy ny olona fotsiny no hiova !
Tsy mila korontana sy ady saritaka intsony Ramalagasy. Mba ho depiote tena voafidim-bahoaka ka hiasa ho an’ny vahoaka anie ireo ho eny Tsimbazaza.
r.r