Fiangonana Anglikanina : hiavaka ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Mpanentana

Tanterahina eny amin’ny Esca Antanimena, ny 21 jona 2024, ny «Messe Fiderana», hankalazana ny faha-20 taonan’ny Sampana Mpanentana, eo anivon’ny fiangonana Anglikanina Ava­ra­tranjoma. Hiavaka ity hetsika ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara satria ity « Messe Fiderana » ity no lamesa malagasy faharoa, nosoratana amin’ny gadona malagasy. Tanjona ny hananana gadona tena malagasy, araka ny hafatra navelan’i Sa Grace Mgr Rabenirina Joseph. Ankoatra izay, haingo sy fanamina malagasy ihany koa no handravaka ny sehatra amin’io fotoana io.
Toa ankehitriny ny fanirian’ny Sa Grace Mgr Rabenirina Joseph. Sahala amin’ny lamesa samihafa nosoratan’ny vahiny, toy ny nataon’i Mozart tamin’ny fotoan’androny ihany izy ity. Mandritra io fotoana io ihany koa ny hankalazana ny faha-20 taonan’ny sampana Mpanentana. Izy ireo izay misehatra eo amin’ny tontolon’ny fihirana, famoronana hira ary fitendrena zavamaneno eo anivon’ny fiangonana Anglika­nina Avaratranjoma.
Lamesa an-tsehatra voalohany sy anisan’ny lehibe indrindra ity hatao ity. Ankoatra ny haingo an-tsehatra sy ny fanamiana, mpihira sy mpitendry zavamaneno manodidina ny 40 eo ho eo no handray anjara amin’ny hetsika.

Lin

Partager sur: