Nanolotra mari-pankasitrahana ireo vehivavy niofana momba ny zaitra ny avy amin’ny Inner Wheel sy ny Wednesdat morning group (WMG). Natao tetsy Ankorondrano ny hetsika, omaly. Nisitraka izany ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana miisa 20 avy eto Antananarivo. Niofana nandritra ny telo volana izy ireo. “Tanjon’ny fampiofanana ny hanampiana ny vehivavy tena sahirana eny anivon’ny fiarahamonina mba hanana foto-pivelomana”, hoy i Finaritra Andriampeno, filohan’ny Inner Wheel club d’Antananarivo. « Handraisana an-tanana ireo vehivavy tsy nanana fahafahana namita fianarana noho ny antony ara-bola ihany koa » hoy, kosa ny filoha lefitry ny WMG, Ralambotsirofo Josiane. Manampy ireo ankizy hitady lalam-barotra ny fikambanana raha tonga manatona sy mila fanampiana izy ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Mbola mitohy hatrany ny fampiofanana ataon’izy ireo eto Antananarivo. Hanomboka ny volana jolay izao izany ho an’ny Inner wheel. Raha toa ka ny alatsinainy izao ny an’ny WMG. 20 ihany ny mpianatra ho raisina mandritra izany. Ankoatra izay, mamokatra sy manamboatra serviette hygiénique azo sasana ihany koa, ary hiditra tsikelikely amin’ny fivarotana izany eny anivon’ny tsena izy ireo. Nanolotra “certificat de reconnaissance” ho an’ny filoha lefitry ny fikambanana WMG ny avy amin’ny Inner Wheel teny an-toerana. Tamin’ny fiaraha-miasa nahafahanana nampiofana ireo vehivavy 60 hatramin’izay.
Mino