Niatrika ny fivoriana iraisam-pirenena eo anivon’ny “International democrate centriste IDC-CDI” tany Frantsa ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa mahaliana hatrany ny mifampizara traikefa amin’ ireo mpikambana amin’izany antoko iraisam-pirenena izany. “Samy resy lahatra fa tsy misy ny fitoniana rehefa tsy mipetraka ny demokrasia. Sarotra ny hipetrahan’ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny firenena iray raha tsy tanteraka izany”, hoy izy. Nanteriny koa fa mila mipetraka aloha ny fahalalahana maneho hevitra, ny fifidianana madio sy marina, ny rafi-pitsarana tena mahaleo tena. Hitarafana fa tena tany demokratika ny firenena iray, araka ny nambarany. “Foto-kevitra imatimatesan’ny IDC-CDI sy ny MMM izany ary tafiditra amin’ny fanovana tadiavintsika ho an’i Madagasikara”, hoy izy. Nambarany fa azo tanterahina aty amin’ireo firenena afrikanina izany rehefa manam-piniavana sy manana foto-kevitra ireo mitondra sy mitantana firenena. Efa natoron’ireo mpitondra any Sao Tome et Principe sy i Cap Vert ary i Côte d’Ivoire, samy mpikambana ao amin’ny IDC ny lalana mankany, araka ny nambarany hatrany. Anisan’ny namelabelatra ny momba ny fanamby ho an’ny demokrasia, ny fanjakana tan-dalàna, ny fifidianana sy ny fangaharahan’izany ny filoha nasionalin’ny MMM tamin’izao fihaonana an-tampon’ny IDC-CDI izao.
Synèse R.