Teo ho eo ny vokatra azon’ny Akomba de Madagascar, nandritra ny fiadiana ny « Billie Jean King Cup 2024 », taranja tenisy, sokajy vehivavy. Tafajanona ao amin’ny sokajy misy azy i Madagasikara, amin’ny taona ho avy.
Nifarana omaly, tao Nairobi Kenya, ny fiadiana ny « Billie Jean King Cup 2024 », taranja tenisy, sokajy fahatelo. Na tsy tratra aza ny tanjona hiakarana ao amin’ny sokajy faharoa ho an’ny Akomba de Madagascar, voatazona ny fanamby ho azy ireo satria tafajanona ao amin’ ny sokajy fahatelo, amin’ny taom-pilalaovana 2025. Nitazona ny laharana fahafito, tamin’ireo firenena 12 nandray anjara ny Akomba de Madagascar.
Nakaton’i Madagasikara tamin’ny fandresena ity fifaninanana ity. Resin’izy ireo, tamin’ny fiadian-toerana i Tunisie. Lavon’ny Malagasy tamin’ny isa 2 no ho 1. Fandresena miezinezina ity azon’ny Akomba de Madagascar ity, satria voalohany teo amin’ny tantara mantsy no nandavo an’i Tunisie. Afa-bela izany i Madagasikara tamin’ity.
Raha hiverenana ny voka-dalao, resin’i Chiraz Bechri, tamin’ny seta 2 no ho 1 i Mialy, teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana voalohany. Lasan’i Mialy ny seta voalohany (6/2) saingy tsy voatazony izany fa norombahin’ilay tonizianina avokoa ny seta 2 manaraka (6/4 ; 6/2).
Voahonitr’i Miotisoa kosa izany teo amin’ny lalao faharoa, rehefa nandresy an’i Ranim Rassil, tamin’ny seta 2 no ho 1 ihany koa. Niady hatramin’ny farany ny lalaon’izy mirahavavy. Lasan’i Rassil, ny seta voalohany (6/7). Tsy nanaiky i Miotisoa teo amin’ireo seta manaraka ka azony izany. 6/4 ny seta faharoa ary 7/6 ny fahatelo.
Nitovy 1 sy 1 ny fandresena teo ka tsy maintsy niditra tamin’ny lalao ho an’olon-droa nahitana izay hibata ny fandresena.
Nanjakan’ny Akomba ny olon-droa
Nifanandrina tamin’i Nadine Hamrouni sy i Lamis Houas i Tsantaniony sy i Mialy. Resin’izy mirahavavy tamin’ny seta mazava, 2 no ho 0 (6/3 ; 6/4) ireto toniziania ireto. Tsiahivina fa efatra mirahavavy no niaro ny anaram-boninahitra tamin’ity dia i Tsantaniony sy i Miotisoa niampy an’i Mialy ary i Elisoa.
Tompondaka tamin’ity i Afrika Atsimo, izay miakatra ao amin’ny sokajy faharoa. Mivarina any amin’ny sokajy fahefatra kosa i Maurice. Dingana manaraka ho an’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT), ny fiadiana ny amboara Davis, sokajy fahadimy, hatao any Botswana, ny 17 ka hatramin’ny 20 jolay ho avy izao.
Tompondaka