Ho fampivoarana ny tanora eto Afrika, nisy ny tetikasa “Talent Development Scheme (TDS)” eo amin’ny taranja baolina kitra. Anisan’ireo misitraka izany i Madagasikara. Araka ny fanazavana nataon’i Etienne Stockeng, teknisianina misahana ny tanora eo enivon’ny Fifa, ny zoma lasa teo, teny Isoraka, nahatratra 6 000 mahery ireo mpilalao zandriny voatily manerana ny faritra 22, ka ny 75 amin’izy ireo ihany no raisina. Tanjona amin’ity tetikasan’ny Fifa ity ny hametraka Akademia eny Carion sy ny ho fanomanana ireo fifaninanana iraisam-pirenena goavana “Mondial U-17”, lahy sy vavy. Raha ho an’ny lehilahy, miisa 10 ny anjara toerana ho an’ny kaontinantan’i Afrika raha toa ka dimy ihany ny an’ny vehivavy. Tsara ny mampahafantatra fa notontosaina afakomaly, teny amin’ny Elgeco Plus ny fitiliana ireo mpilalao zandriny avy any Bongolava sy Itasy ary Analamanga. Tsiahivina fa nandalo teto Madagasikara, nanomboka ny 9 jona hatramin’ny omaly, i Etienne Stockeng, avy amin’ny Fifa.
F.R