Slalom: norombahin’i Olivier ny voalohany

Notanterahina tany Antsirabe, ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 jona lasa teo, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny Slalom. Fi­faninanana, nokarakarain’ny Auto sport 110. Nandrombaka ny fandresena i Olivier, mpanamory avy amin’ny klioba ASACM, nitondra ny fiara Citroën C2. 2 mn 08, 51s ny fe-potoana tsara vitany. Vitany tao anatin’ny 2 mn 12, 29 s ny dingana voalohany raha 2 mn 12, 89 s ny faharoa ary 2 mn 08, 51 s ny fahatelo. Mbola izy ihany koa ny voalohany teo amin’ny kilasy M10.
Faharoa nanaraka azy i Juan, avy amin’ny FMMSAM, nitaingina ny fiara Clio. 2 mn 9, 68 s ny fe-potoanany. Tsiahivina fa lasany ny dingana faharoa, izay vitany tao anatin’ny 2 mn 11, 78 s. Nitana ny laharana fahatelo, i Frederic avy amin’ny ASACM, niaraka tamin’ny Citroën C2. Tsy nandray ny fiaingana izy teo amin’ireo dingana faharoa sy fahatelo. 2 mn 21, 28 s kosa ny nahavitany ny dingana voalohany. Dingana manaraka, ny Slalom karakarain’ny klioba TAC’S, hatao ny 27 sy ny 28 jolay ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: