Afo Olympika tao La Réunion : nanatrika ny fandalovany i Madagasikara

Nandalo tany amin’ny nosy rahavavy La Réunion, ny herinandro lasa teo, ny afo ho an’ny lalao Olympika «JO 2024». Anisan’ny nanatrika izany i Madagasikara, tamin’ ny alalan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry, sy ny tale jeneralin’ny fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa.
Sambany i Madagasikara no nahazo fanasana tamin’ity fandalovan’ny afo Olympika tany La Réunion ity. Voni­nahitra lehibe ho an’i Mada­gasikara ny nanatrika izany, araka ny nambaran-dRako­tozafy Rosa, satria niaraka nandrehitra ny afo tamin’ireo solontenam-panjakana ambony tao La Réunion mihitsy ny minisitra malagasy.
Ankoatra ny fandrehetana izany, nisy ihany koa ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, ka tapaka taorian’izany fa hiara-hiasa eo amin’ny fanatanjahantena: an-tsekoly sy amin’ ny fahasalamana i Mada­gasikara sy La Réunion.
Ankoatra izay, efa noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny herinandro lasa teo koa, ireo atleta malagasy hiatrika ny lalao Olympika. Nandritra izany no nihainoan’ny minisitra ny hetahetan’izy ireo sy niresahana ny fanomanan-tena tokony hatao. Tsiahivina fa fito mianadahy hatreto no efa fantatra fa hisolo tena an’i Madagasi­kara, amin’ny “JO 2024”, hatao any Paris, ny volana jolay sy ny aogositra ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: