Andrarezina iray teo amin’ny famoronan-kira. Rariny raha nanokana rakikira, ho fanomezam-boninahitra an’i Noël Rakotoarivony, i Kiady
Anisan’ireo mpamoron-kira nametraka tantara i Noël Rakotoarivony. Mety tsy dia faheno ny anarany, saingy ny sanganasany kosa nohirain’ireo mpanakanto malaza toa an-dry Solo sy Bodo. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanomezam-boninahitra ity mpamoron-kira andrarezina ity ihany koa i Kiady.
“Inty aho hamalifaly” no lohatenin’ny rakikira vaovaon’i Kiady, izay nampahafantariny ny faran’ny herinandro teo. Mirakitra hira 11, sanganasan’i Noël Rakotoarivony avokoa izany. Naverin’i Kiady amin’ny fanaovany azy ireo hira, nametrahany ilay mampiavaka azy. “Fanomezam-boninahitra ny mpamorona satria nanoratra hira maro mahafinaritra izy. Mila hampahafantarina ny rehetra izany”, hoy ny nambaran’i Kiady. Efa azo jifaina amin’ireo habaka mivarotra mozika, toy ny “Spotify” sy ny “Moozik” ny rakikira. Na izany aza, hisy ihany koa ny endriny kapila, araka ny andrasan’ny mpankafy.
Ho fampahafantarana ny rakikira, hisy ny seho izay hataon’i Kiady ny zoma 21 jona izao, manomboka amin’ ny 8 ora, eny amin’ny Cités des Cultures Antaninarenina. Fotoana hizaran’i Kiady ny rakikira amin’ireo mpankafy azy ihany koa izany, ka hisy ny fandrangotan’ny mpanakanto ny kapila amin’io fotoana io. Fantatra fa hanaraka ity mpanakanto ity eo amin’ny piano i Tsila.
Zo ny Aina