Fanomezan-dra : nandray anjara ny Star

Marihina isaky ny 14 jona ny Andro iraisam-pirenana ho an’ny mpanome ra. Toy ny fanaony isan-taona, nitondra ny anjara birikiny ny orinasa Star, ta­min’ny alalan’ny fanomezan’ny mpiasa ra an-tsitrapo. Teo ihany koa ny fizarana zava-pisotro mamy, ho an’ireo na­natontosa izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny ”Centre regional de transfusion sanguine” eto Analamanga, izay etsy amin’ny CHU JRA Ampe­filoha. Nanome zava-pisotro hanohanana ireo tonga nanome ra tamin’io andro io koa ny Star.
Mpiasan’ny Star avy amin’ ny toerana samihafa no nandray anjara tamin’ity fanomezan-dra an-tsitrapo ity: ny avy ao amin’ny foibe, ny masoivoho Andranomahery, ny masoivoho Tanjombato, ny maosivoho Morondava, ny masoivoho Toliara ary ireo rehetra avy ao Antsirabe (ozinina, sampana lozistika ary ny Malto). Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo toeram-pitsaboana sy hopitaly teny an-toerana, nahafahana nanatanteraka izany. Zava-dehibe ho an’ny Star ny fanohanana ny mpanome ra entina hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary amin’ ireo toeram-pitsaboana ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: