Samy mankalaza ny fetin’ny mozika ny isaky ny ivontoeran’ny kolontsaina sy zavakanto, amin’ny maha hetsika ara-javakanto manana ny maha izy azy azy ity. Hiavaka kely kosa ny an’ny IFM noho ny fandraisan’anjaran’ireo mpihira an-dalambe.
Hisy ny fankalazana ny fetin’ny mozika, ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Institut français de Madagascar (IFM). Ny 22 jona 2024, eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano no hanatanterahina izany hetsika izany. Fampisehoana mozika iarahana amin’ny mpanakanto maro no handravaka azy ity. Mozika maimaimpoana sy zavakanto sy kolontsaina misokatra ho an’ny rehetra no tanjona. Hampiavaka ny hetsika ny fandraisan’anjaran’ireo tarika an-dalambe, amin’ny maha mozika misokatra ho an’ny rehetra azy.
Anisan’ny mankalaza ny fetin’ny mozika, sahala an’ireo ivontoeran’ny kolontsaina sy zavakanto ihany koa ny eny anivon’ny IFM. Weaver Trio, Anjara Rakotozafiarison, Tony Toufa Loux sy mpihira an-dalambe manodidina ny telopolo isa no handray anjara amin’ny hetsika. Tarika efa samy manana ny maha izy azy avokoa ireto mandray anjara ireto. Misy ihany koa ny fanomezana sehatra ireo mpihira an-dalambe, izay voafaritra ho manana ny mampiavaka azy. Ankoatra ny mozika, anisan’ny hampiavaka izany ihany koa ny jiro sy hazavana indrindra amin’ny maha andro takariva azy.
60 taona nanohanana ny zavakanto sy ny kolontsaina maro samihafa ny IFM. Ankoatra izay, fanambin’ity ivontoerana ity ny hoe mozika maimaimpoana sy misokatra ho an’ny rehetra. Izany indrindra no nampandraisana anjara ireo mpihira an-dalambe manodidina ny telopolo sy tsy hisian’ny vidim-pidirana.
Lin