Hitohy ny fandaharanasa fiarovana sy fitrandrahana ny harena voajanahary amin’ny faritra roa: Boeny sy Diana, miaraka amin’ny fiaraha-miasa alemaina (GIZ) ka homen-danja ny vondron’olona ifotony.
Nifarana ny fandaharanasa fiarovana sy fitrandrahana maharitra ny harena voajanahary eto Madagasikara (Page 2) sahanin’ny GIZ Madagascar rehefa nisehatra nandritra ny efatra taona ho an’ny faritra Boeny sy Diana. Nivoitra ny fahombiazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana indrindra ny manodidina ny faritra arovana amin’ny fanatsarana ny velon-tenan’ny mponina ka mampihena ny tsindry mahazo ireo zavamananaina mivelona ao. Teo koa ny fampiroboroboana ny rohim-pihariana toy ny fiompiana tantely, fanodinana ny mahabibo, fambolena ny baie rose, nanampy amin’ny vola miditra amin’ny tokantrano 11 800. Vokatr’izay, voaaro ny velarana 135 000 ha tamin’ny fambolen-kazo sy ny fikarakarana ireo ala voajanahary. Asa fahatelo ny fanohanana ny rafitra mitantana ny harena voajanahary.
Hitohy ny fandaharanasa Page 3 ho an’ny faritra roa ihany: Boeny sy Diana fa hamafisina ny sehatrasa efa natao rehetra fa hisongadina ny fitantanana ny rohivoahary sy ny harena voajanahary eny anivon’ny valanjavabohaary (Ankarafantsika, Montagne d’Ambre…). Manampy izany ny fampidirana anatin’ny fandaharam-pianarana ny fanabeazana ara- tontolo iainana, hoy ny talen’ny fandaharanasan’ny Page sady mpandrindra ny tontolo iainana amin’ny fiaraha-miasa alemaina eto Madagasikara, Bertrand Meinier, omaly, teny Analakely. Hanokanana vola 11 tapitrisa euros ny Page 3, hanomboka ny volana jolay ho avy izao. Hanana anjara andraikitra betsaka ny vondron’olona ifotony, hampihenana ny tsindry amin’ ireo valanjavaboahary. Hampiroboroboana koa ny fambolena foto-piveloman’izy ireo.
Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna ny zava-bita rehetra tao anatin’ny efatra taona (2020-2024).
Vonjy