Literatiora : hitondra “Herisetra” i Tsiaro Ny Fitia

Mikononkonona hetsika hanehoana zavakanto… Ela tsy tazana, hiverina indray, tsy ho ela, eo amin’ny tontolon’ny literatiora i Tsiaro Ny Fitia. Mpa­noratra anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny zavakanto vita amin’ny teny ny tenany. ” Tsy hoe nanadino ny literatiora akory raha ela tsy tazana fa nitolona mangina tany ho any amin’ny fa­nandratana ny zavakanto malagasy, indrindra ny haisoratra… Misy ny zavatra efa kononkononina ary hampahafantarina tsy ho ela ho an’ny mpankafy sy mpanaraka ny kolontsaina malagasy izany”, hoy i Tsiaro Ny Fitia, raha nanazava ny antony tsy nahatazanana azy teny an-tsehatra.
Hisy fiaraha-miasa amina mpanao zavakanto hafa, atsy ho atsy, araka ny nambarany. Hifototra sy tsy hanalavitra ny tontolon’ny herisetra ny lohahevi-dehibe amin’ity hetsika tsy ho ela ity.
Nohamafisiny fa ho fantatry ny rehetra miandalana io ko­nonkonona hataony io. Fanta­tra fa mpikambana ao amin’ny Hanitr’i Eva i Tsiaro Ny Fitia.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: