“Foarabe fampivoarana” : ny 16 hatramin’ny 21 jolay etsy Mahamasina

Hotanterahina ny 16 hatramin’ny 21 jolay ho avy izao etsy amin’ny kianja Barea
ny “Foarabe fampivoarana”. Hetsika karakarain’ny sampana fitantanam-piainana krisitianina (Fipikri) eo anivon’ny federasiona advantista Ma­dagasikara Afovoany (FMC). «Tanjona ny hampivoatra ny farim-piainan’ny mpandraharaha rehetra amin’ny alalan’ny hetsika», hoy ny filohan’ny FMC, Andriamparatiana Fa­nera, nandritra ny fampahafantarana izany tetsy Ma­hamasina, omaly. Fotoana hifanakalozana traikefa sy hifankafantaran’ireo mpandraharaha madinika sy ny vaventy ihany koa izy io. Haha­fahana mifanohana sy hahaizana mifanampy ary miara-miasa izany fifankafantarana izany, raha ny fanazavana hatrany. Ahitana varotra fampirantiana ireo vokatra amin’ny seha-pihariana rehetra, toy ny fambolena, fiompiana ary ny jono eny an-toerana. Ho hita eny ihany koa ny fanodinana sy fampiroboroboana ara-barotra, toy ny teknolojia moderina, ny fitsaboana ara-boajanahary, ny taozavatra malagasy…

Hisy “Podium” isaky ny hariva
Ankoatra ny fampirantiana, hisy ny «podium» isaky ny folakandro eny an-toerana hanehoan’ireo manan-talenta eo anivon’ity fiangonana ity. Hanaovana ny hira ara-pilazantsara iarahana amin’ireo mpanakanto advantista. Tsy hadino koa ny ankizy amin’ny toerana natokana hialan’izy ireo voly, mba hanomezana fahafaham-po azy ireo mandritra ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra. Hofaranana amin’ny lalao ara-panatanjahantena ny foara ny andron’ny alahady. Toy ny baolika kitra sy ny baskety.

Mino

Partager sur: