Faha-64 taonan’ny Fahaleovantena : hanomboka anio etsy Soarano ny « podium » ho an’ny rehetra

Mianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Maro ny hetsika ara-kolontsaina hanamarihana izany eto Antananarivo.

Tanterahina androany hatramin’ny 25 jona izao manoloana ny gara Soa­rano etsy Analakely ny « po­dium ». Atao isaky ny amin’ny 4 hatramin’ny 7 ora hariva eo ho eo izany. Handray anjara hanafana izany ireo mpanankanto maro sy fanta-daza eto amin’ny firenena. Ho an’ny anio manokana, hanafana ny seho eny an-toerana ry Wada sy Youngs sy Dalvis ary Agrad. Hiaraka amin’ny tarika Rebika sy Odiay ary Skaiz kosa rahampitso. Ny 22 jona, hiarahana amin’ny Dady Love, Chantal, Shanie. Hiaraka amin’ny Kiaka, Lola, Iraimbilanja, Mr Saida kosa ny faha 23 jona. Ny faha 25 jona iarahana amin-dry Smaven, Raouto, Simonda. Hanentana mandritra izany ny avy amin’ny ry Fou’hehy sy Dj Gova. Tanjona ny hanatanterahana ny fankalazana ao anatin’ny firalahaliana sy ao anatin’ny filaminana tanteraka. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tarakevitry ny fi­tondram-panjakana ny hoe: “Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”, ny hetsika.

Hiavaka ny seho amin’ny fampisehoana jiro marokolo ny 25 jona

Mbola maro ny hetsika ho hita amin’ity fankalazana ny fetim-pirenena ity. Mba hanomezana fahafaham-po ny vahoaka malagasy rehetra. Anisan’izany, ny seho amin’ny andron’ny faha 25 jona etsy Anosy. Tsy ny afomanga irery no hita eny an-toerana amin’io fa misy ny fampisehoana ireo hazavana maroloko amin’ny alalan’ny “drone”. “Antenaina ny hahatongavan’ny maro ha­natrika ireo seho ara-kolon­tsaina maro ireo”, hoy ny eo anivon’ny komity mikarakara ny fankalazana ny faha-64 taonan’ny Fahaleovantena, Rahelisoa Virginie.
Mitandro ny filaminana mandritra ireo seho ireo ny mpitandro filaminana. Ma­nampy azy ireo koa ny avy amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny « ambulance ». Mba handray an-tanana
ireo tojo tsy fahasalamana tampoka mandritra izany, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: