Samy amin’ny adiny

 

Andaniny, nangingina ny mpanao politika tao anatin’ny andro vitsy izay. Samy maka saina sy mikononkonona ny paikadiny manokana mialoha ny vokatry ny HCC. Na ireo avo feo sy ny tsy manaiky resy mora foana aza efa samy nanakombom-bava. Ny fifampiangana madinidinika sy ny fifampihantsiana ankolaka no mandeha any ambadika any. Samy miaro ny rambony.
Etsy ankilan’izay, efa fety be ny eny Analakely. Mianoka anatin’ny asaramanitra tanteraka ilay va­hoakan’Antananarivo. Maresaka ny tanàna. Efa mandreraka ny fitohanan’ny fiarakodia. Mihitsoka ny fifamoivoizana amin’ny atoandro. Marevaka sy mirantiranty izai­tsizy kosa ny jiro maroloko amin’ny andro alina. Tsy tapaka olona ny eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, izay zary tsena sy toeram-pilalaovana ho an’ny daholobe.
Mifanindran-dalana amin’izany, misy teratany mala­gasy, tompon-tanàna, mitokana ny bankiny manokana. Mibaribary fa mahavita azy, manana ny anjara toerany lehibe amin’ny toekaren’ny firenena ny mpandraharaha. Afaka tsara ny mitrandraka ny tombontsoa ho an’ny samy Malagasy. Tsy voafehin’olom-bitsy, mpandraharaha vahiny, samy irery ny fikirakirana ny vola eto Madagasikara. Maka toerana ny zanatany!
Manoloana ireo voatanisa, misy koa anefa no miady amin’ny fiainana. Mitrongy mihitsy vao homana. Mafy ady ara-bakiteny. Zara fa mahita izay ho harapaky ny ankohonany. Ireo maro anisa izany izay nandravona ho iray ny kilasy mahantra sy ny kilasy antonintoniny taloha. Zara raha mahita rirany amin’ny fiainana izy ireo. Velona mitsipozipozy, mitazon’aina sisa.
Mariky ny fahasamihafana misy eto amin’ny firenena izany. Ilana ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena, maha­tsapa fa manana andraikitra amin’ny fampandrosoana tena hipaka any anivon’ny fianakaviana. Hatreto anefa toa samy maka ho azy, samy amin’ny adiny!

r.r

Partager sur: