Tanterahina ny 1 jolay 2024 ny fankalazana ny “Internationale Reggea Day” (IRD). Anisan’ny handray anjara amin’ izany ny eto Madagasikara. Miditra amin’ny andiany faha-30 ny hetsika amin’ity taona ity. Tanjona amin’ny hetsika ny hampahafantarana ny olona ny gadona Reggea sy ny manodidina azy. Ho an’ny eto Madagasikara manokana, efa vonona ny mpikarakara hiandraikitra ny fanatontosana ny hetsika, vantany vao namoaka ny fanambarana mahakasika ny fankalazana ny vovonana iraisam-pirenena.
Ny taona 1994 no nanombohan’ny fankalazana ny “IRD”. Misy hatrany ny lohahevitra isaky ny fankalazana entina manamarika ny andiany tsirairay avy. Natao izany hampivoarana sy hampahafantarana ny gadona Reggea. Ho an’ity taona ity “Rhythm& Resistance” no lohahevitra. Ao anatin’izany no hijerena ny fanatsarana ny figadonan’ny Reggea mba hipetrahan’ny maha izy ity gadona ity.
Lin