CEPE : nanomboka omaly ny fandikana naoty

Efa vita ny alarobia lasa teo avokoa ny fitsarana ireo taratasim-panadinan’ny ankizy nanala ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny teto amin’ny fari-piadidian’Antananarivo, araka ny voalazan’ny Chef Cisco eto Antananarivo Renivohitra. Tsy niandry ela fa nanomboka omaly, ny dingana fandikana ireo naoty azon’ny mpiadina rehetra. Natao tetsy amin’ny Lycée moderne Ampefiloha (LMA) izany, ho an’Antananarivo Reni­vo­hitra. « Tsapa ho nanano sarotra ireo mpiadina ny taranja Laza olana sy ny Malagasy, fantatra izany nandritra ny fitsa­rana ireo taratasim-panadinana », hoy Ramarozatovo Rinah, chef de division des examens officiels eo anivon’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Antony nahatonga izany ny mety ho tsy fahampian’ny fanazarana nataon’ireo ankizy.
Ezahina havoaka alohan’ny fetim-pirenena, 26 jona izao, ny valim-panadinana CEPE, raha ny fanazavana voaray hatrany. Mba hahafahan’ny ankizy sy ny ray aman-dreny miaina sy manao fetin’ny asaramanitra amim-pilaminana sy am-pito­niana. Nanentana ny ray aman-dreny rehetra izy mba ho tony tsara mandra-piandry ny valim-panadinana. Tsiahivina fa 529 000 ireo kandidà nisoratra anarana manerana ny Nosy tamin’ny fanadinana CEPE tamin’ity taona ity. Manana fahasembanana ny 99 tamin’izy ireo.

Mino

Partager sur: