Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny Drafitrasa fanatanterahana ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana ho an’ny taona 2024 hatramin’ny taona 2028. Tanjona ny hampitomboana ny isan’ny mpampiasa ny fandrindram-piterahana ho 5 tapitrisa. Fomba iray entina miady amin’ny fahantrana izany, hoy ny filohan’ny Repoblika. Hitsidika ny faritra maro ny filoha hizara ny tombontsoa azo amin’ny fandrindram-piterahana.
Nanadio faobe ny trano fonenan’ny mpianatra, ivelany sy anatiny ary ny tokotanibe, ireo mpianatry ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona, tamin’ity herinandro ity. Nampiavaka ny hetsika ny fiaraha-mientan’ireo mpianatra sy ny tantsoroka avy amin’ny tomponandraikitra samihafa. Nanome tanana nanampy azy ireo, nandefa solontena sady nanome fitaovana, ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny mpandraharaha avy ao amin’ ny Oniversiten’Antananarivo.
Mpianatra 93 avy amin’ny Institut Universitaire de téchnologie et d’Agronomie de l’Université de Mahajanga (IUTAM) no notolorana ny mari-pahaizana licence professionnel, ho an’ny andiany telo, Loharano, Manambitana ary Vato, avy amin’ny IUTAM ao Antsohihy, tamin’ity herinandro ity.
Sata-bokatra etsy Talamaty. Nanomboka omaly hatramin’ny alahady izao ny hetsika. Tanjona ny hanohanana ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy eny an-toerana. Misy ireo fampirantiana ny vokatra ataon’ireo tantsaha. “Zava-dehibe eo amin’ny seha-pihariana ny hetsika tahaka azy io”, hoy ny ben’ny tanàna eny an-toerana.