Narafitra ho laminasa voarakitra an-tsoratra ny asa rehetra ao anatin’ny hamehana mandritra ny fiatrehana ny loza (tondradrano, rivodoza…). “Tafiditra ao amin’ny politikam-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Birao nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), Andriakaja Elack Olivier, omaly, teny Ankorondrano. Mamaritra ny hetsika hamaliana ny aorian’ny loza ny “Plan de contingence”. Milaza ireo asa ao anatin’ny hamehana eo am-piatrehana ny voina kosa ny drafitrasa nasionaly hitantanana ny hamehana (Pongu). Mifameno izy ireo. Tao anatin’ny volana maromaro no namolavolana izany.
Niarahana tamin’ny teknisianina voakasiky ny loza sy ny tandindon-doza ary ny manam-pahaizana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Ohatra, rehefa tonga ny rivodoza, tsy maintsy vonjena ireo olona tsy afa-miala ny tranony nefa voadidina ranobe ka mila fitaovana manokana toy ny «zodiac» na sambokely misy motera hamindrana toerana vonjimaika azy ireo. Toy izany koa ny famerenana ny fifamoivoizana haingana, hitondrana ny fanampiana ho an’ny traboina.
Manana “Plan de contingence” momba ny rivodoza, tondradrano, hanoanana, haintany, fiatrehana ny valanaretina isika eto Madagasikara.
Vonjy