«Forestival 2024» : Malagasy mpanakanto telo mandray anjara

Mitohy hatrany ny fivelaran’ny zavakanto malagasy. Taratr’izany ny fandraisana anjaran’ireo Malagasy mpahay kanto amin’ny hetsika iraisam-pirenena maro.

Malagasy mandray anjara amin’ny «Forestival 2024», atao any Lahnstein Allemagne, Raza­fin­­drakoto Mamy Nirina (Tan­galamamy) sy Rabearivelo Dina Mitia ary Aina Andria­mahafaly. Fampirantiana sy sehon-javakanto maro samihafa atao anaty ala sy eny ankalamanjana izy ity, nanomboka ny 15 jona 2024 ary hifarana ny 23 jona 2024. Ahitana mozika, rantin-tsary sy hosodoko. Hetsika misy isan-taona ny “Forestival”, mpahay kanto manana ny maha izy azy maneran-tany no mandray anjara amin’izany.
Zavakanto maroloko no hita mandritra ny hetsika. Anisan’ny mitondra ny kantony amin’ity i Tangalamamy, Malagasy mpiangaly saripika. Maneho ny hakanton’ny tontolo iainana sy ny harena voajanaharin’i Madagasikara ary ny fiainana andavanandron’ny mponina ao aminy no haran­tin’i Tangalamamy, mandritra izany. Anisan’ny hita ao ny hakanton’ny zavaboahary ao amin’ny tanànan’i Morondava, hatrany Zazafotsy, nandalo an’i Antenina. Sahala amin’izay ihany koa ny an’i Aina Andriamahafaly, izay mandranty saripika maneho ny hakanton’ity Nosy ity. An­koatra ireo mpaka saripika ireo, mandray anjara ao ana­tin’ity “Forestival” ity ihany
koa Rabearivelo Dina Mitia, mpanao hosodoko. Hane­hoany varatava maromaro sy ny hakanton’ny tontolo.
Hetsika ara-javakanto anisan’ny maro mpankafy sy mpitsidika ny “Forestival”. Saika hita mitsidika ity fampirantiana ity avokoa ireo karazan’olona sy sokajin-taona isan-karazany. Anisan’ny hankafizan’ny olona azy ny fahafahana mikarenjy any anaty ala sady mahita ireo zavakanto isan-karazany.

Lin

Partager sur: