Marin-toerana… mandroso   

Hanao ahoana ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC ny amin’ny fifidianana depiote? Raha ny valim-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni: mahazo toerana 81 eny Tsimbazaza ny Irmar, 55 ny an’ny tsy miankina, 22 ny vondrona Firaisankina, efatra Fivoi, iray Kôlektifa an’ny Malagasy. Mety hisy ve ny fahagagana? Na fitsimbadihan-javatra amin’ny fotoana farany… Hanao ahoana ny fahamarinan-toerana politika miainga amin’ny eny anivon’ny Antenimierampirenena? Mba tsy hisy korontana politika lava eo amin’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka, tsy ho takalon’aina amin’ny adilahy politika amin’ny fifandroritana tombontsoa ny fiainam-bahoaka…

Izay no anisan’ny maha zava-dehibe ny fifidianana depiote, solontenan’ny vahoaka miantoka ny fahamarinan-toerana politikan’ny samy andrimpanjakana. Tsy mahagaga raha ifandroritana ny raharaha. Fiadiana ny maro anisa? Ny fahamarinan-toerana politika no miantoka ny fampandrosoana: tsy misy fampandrosoana raha tsy misy filaminana. Nefa tsy misy koa izay filaminana raha tsy misy fampandrosoana. Tsy efa mahavelombolo ihany amin’izao ny fahazoana maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenana? Eny, na azo mivantana izany, na mbola hifandresen-dahatra sy hifandaminana. Hiseho amin’ny tena endriny amin’izay ny hoe tsy miankina na hiankina amin’iza? Lalao politika izay…

Ilaina ny hisian’ny fahamarinan-toerana politika handrosoana amin’izay atao. Mitaky asa izany fa tsy hoe milamindamina ho azy amin’izao hoe mahazo maro anisa: asa mivaingana sy azo refesina, miantraika amin’ny vahoaka ifotony… Tsy hisy izay filaminana ho azy amin’izao, raha tsy misy fihatsaran’ny fiainam-bahoaka. Hanao ahoana? Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: