Lomano – “Lalao Olympika 2024”: notsipahin’ny Federasiona ny maha solotena an’ i Eliot

Nohamafisin’ny Federasiona malagasin’ny lomano (FMN), omaly, fa  i Jonathan Raharvel, no solontenan’ny Malagasy lehilahy, hiatrika ny lalao Olympika “JO 2024”. Nolavin’izy ireo ny filazana fa hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ity fifaninanana goavana ity,  Rakotondramanga Eliot, Malagasy mpilaravinahitra any ivelany.

Nomarihin’izy ireo fa mitsipaka tanteraka ny lalàna iraisam-pirenena i Eliot.“Araka ny lalàna mifehy ny taranja, ao amin’ny World Acquatics, ireo atleta nangataka “nationalité sportif” vaovao, dia tsy mahazo misolo tena ilay firenena amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra mandritra ny telo taona”, hoy ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FMN.

Tamin’ny alalan’ity loharanom-baovao ity ihany koa no nahafantarana fa atleta frantsay i Eliot teo aloha, ny volana avrily 2024 lasa teo izy vao nahazo ny “nationalité sportif” malagasy, noho izany, tsy afaka mifaninanana amin’ny JO.

Etsy ankilany i Eliot, milaza fa afaka miatrika ny lalao Olympika tsara, taorian’ny nanamontsanany ny zava-bita tsara indrindra, tamin’ny 100 m papillon, ny zoma lasa teo. “54, 48 segondra no nahavitany io halavirana io, ka mipetraka eo amin’ny laharana voalohany filaharana iraisam-pirenena, “World Acquatics”, ny lehilahy, amin’izao fotoana izao.

Fitia Randria

Partager sur: