Notanterahina teto an-dRenivohitra sy tany Toliara, omaly, ny lalao manasa-dalana miverin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Coca-Cola Pureplay Football League (PFL)”. Nahazo ny tapakilan’ny famaranana tamin’ity fifaninanana nasionaly ity ny Elgeco Plus Analamanga sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Raha hiverenana ny manasa-dalan’izy ireo, ny Disciples FC nandresy ny Zanakala FC, tamin’ny isa mazava 3 no ho 0, omaly, teny By-pass. Nahintsan’ny Elgeco Plus, 2 no ho 1, kosa ny 3FB, tany amin’ny kianja Maitre Kira Toliara.
Mbola manala vela ny mpilalaon’i Vakinankaratra amin’ity fifanandrinana ity. Ny 10 febroary lasa teo, lavon’ny Elgeco Plus, 1 no ho 0, izy ireo. Tsiahivina fa samy klioba nifanintsana tao amin’ny Kaonferansy atsimo izy roa ireto. Raha ny vaovao farany voaray, hatao eo amin’ny kianja Elgeco Plus, by-pass, ny famaranana ny “Coca-Cola PFL”.
Rava tamin’ny korontana
Nifarana tamin’ny fikasihan-tanana ny lalaon’ny Zanakala FC sy ny Disciples FC. Rehefa naneno ny kiririokan’ny mpitsara, nanomboka ny korontana teny ambony kianja, nifamely totohondry ny roa tonta. Nametraka fandaminana ny tomponandraikitra teny ambony kianja.
Andrasana izay mety ho fanapahan-kevitra avoakan’ny CFEM sy ny Codis mahakasika ny zava-nitranga toa ireny.
Fitia Randria