Tantara « Galifantsy »: hoentin’ny Rohikanto an-tsehatra

Ny feo efa tsy zoviana amin’ny mpanaraka tantara an’onjampeo. Nirafitra ho tarika iray ireo mpanakanto mpamelona tantara fihaino, ka nanangana ny Rohikanto : Arikom’s Randria, Hanjariliva, Ony Mihajanirina, Vanintsoa, Arlivah, Christophe Rabearimanana ary i Lemec. Nandritra ny fotoana elaela izay, niroso ihany koa tamin’ny seho an-tsehatra izy ireo fa tsy nionona tany ambadiky ny radio intsony. Nikaroka endri-tseho vaovao ihany koa, ka anisan’ny hanehoan’ny Rohikanto izany ilay tantara « Galifantsy », hoentin’izy ireo an-tsehatra voalohany ny alahady 30 jona ho avy izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Havoria Anosy.
Tsy tantara tsangana fotsiny, fa horavahana soradihy sy mozika ary karazan-kanto maro izy ity. Mpanakanto marolafy rahateo no mandrafitra ny rohikanto, raha tsy hilaza afa-tsy ny talentan’i Vanintsoa, izay sady mpihira no mpitendry valiha ihany koa. I Lemec koa, ohatra, sady mpanao hatsikana no mpanentana efa fanta-daza ankoatra ny fifehezany ny feo. Ry Christophe sy ry Arikom’s efa tsy zoviana amin’ny maro intsony, na tantara fihaino na sarimihetsika.

Zo ny Aina

Partager sur: