Samy tafakatra amin’ny «Poule des As», hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra vehivavy, ireo ekipa roa, avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra. Anatin’ izany, ny AC Sab-Nam, sy ny Disciples FF. Fihaonana, hatao eto Antananarivo, ny volana febroary 2023.
Marihina fa nifarana ny asabotsy lasa teo ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanana. Raha tsiahivina ny vokatra, tany Antsirabe, nitana ny laharana voalohany, ny AC Sab-Nam, manana isa 15, tao amin’ny vondrona “A”. Faharoa, ny Mifa Analamanga, isa 12.
Ho an’ny vondrona “B”, nilalao tany Matsiatra Ambony kosa indray nitarika ny Disciples FF, manana isa 15, narahan’i Ascuf Matsiatra Ambony, isa 10. Ireo ekipa efatra ireo araka izany, no hiady izay ho lohany, eto an-drenivohitra, amin’ny volana febroary ho avy izao.
Mpilalao mendrika
Ankoatra izay, voahosotra ho mpilalao mendrika tamin’ity dingana faharoan’ny fifaninanam-pirenena ity, Ravaoharimalala Nadia, avy amin’ny ekipan’i Mifa sy Ramanantsoa Sitrakiniaina, mpilalaon’ny Disciples FF.
Namono baolina betsaka indrindra kosa i Aly Suraya, avy amin’ny AC Sab-Nam sy Razananivo Solomampionona, mpilalaon’ny Disciples FF.
Ankoatra izay, fantatra fa natao hifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea vehivavy, hiatrika ny lalaon’ ny Nosy 2023 ( JIO 2023), ity fifaninanam-pirenena ity.
Fitia (Mpianatra Asa)