Beach Soccer: hatao atsy Seychelles ny “Mondial 2025”

Notendren’ny federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra (FIFA), hampiantrano ny andiany faha-13 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny baolina kitra lalaovina ambony fasika (Beach soccer) 2025, i Seychelles. Sambany ary voalohany no hotanterahina aty amin’ny kaontinanta afrikanina izany fihaonana an-tampony izany.
Tsiahivina fa efa nandray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2015), ity Nosy rahavavy ity. Norombahin’ny Barea de Madagascar, tamin’izay ny amboara, rehefa nandresy an’i Senegal, teo amin’ny fandakana ny “tirs au but”. Marihina fa any Dubai no hatao ny “Mondial 2023”.

Tompondaka

Partager sur: