Andro manan-danja sy miavaka ho an’ny vahoaka malagasy ny 26 jona. Izany indrindra no antony nisian’ny fety aman-danonana maro samihafa, nentina nanamarika izany.
Notanterahina, omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Grand podium nationale ». Fampisehoana lehibe, nentina nanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena sy ny nijoroan’ny foloalindahy. Mpanakanto mpihira isan-karazany no tonga nanafana ny sehatra tao anatin’izany. Niara-paly tamin’ireo Malagasy marobe tonga teny an-toerana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady, sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ary ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.
Tomefy olona feno hafaliana tanteraka ny kianja Barea Mahamasina, niara-nikorana nankalaza izany andro manana ny maha izy azy eo amin’ny firenena malagasy izany. Anisan’ny mpanakanto nandray anjara tamin’izany ny tarika Oladad, Boy Black, Jerry Marcoss, Njara Marcel, Tarika Kiaka sy ireo mpanakanto fanta-daza maro. Ankoatra ireo mpihira, nampifaly ny vahoaka tamin’ny talentany sy fahaiza-manaony ihany koa ireo mpikosoka kapila malaza ankehitriny. Nampiavaka iny « Grand podium nationale » iny ny jiro sy hazavana ary ny haingon-tsehatra tao amin’ny kianja.
Tia mifety ny Malagasy. Taratra izany ny hamaroan’ny olona tonga teny an-toerana sy ny teny amin’ireo fety samihafa, raha ny teto an-drenivohitra manokana. Zary lasa fahazarana sy efa mpikolo ny sain’ny Malagasy ny fanaovana ny andron’ny faha 26 jona ho andro miavaka. Nahitana izany ihany koa ny tany amin’ny faritra ary saika ny fampisehoana indray aza no nahitana olona maro noho ny matso, natao ny tapany maraina.
Lin