Fanorona: nandrombaka ny fandresena i Dada Bary

Nikarakara fifaninanana lalao fanorona, teny Ambohidratrimo, i Souleman mpikabary, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teo. 9 mianaka, avy amin’ny fokontany enina, eo anivon’ny kaominina Ambohidratrimo ireo nandray anjara tamin’izany. Nandrombaka ny amboara, nandresy tamin’izany, Rabarimanana Jean de Dieu na i Dada Bary, 77 taona, rehefa avy nifanandrina ny ho tompondakan’ny fanorona tamin-dRandriamanalina Rivo. “Efa nanao fanorona hatramin’ny fahazaza aho ka antony nandrisika ahy handray anjara tamin’ny fifaninana”, hoy i Dada Bary, nitantara. “Na dia teo aza ny fitomboan’ny taona, nanao izay vita sy nanana ny paikady manokana nahafahana nandresy”, hoy hatrany izy. Nilaza ny tenany fa nahafinaritra ny fifaninanana ary tsy maintsy misy ny mandresy sy ny resy. “Kolontsain’ny fanorona ny tsy manaiky resy, fara faharatsiny sahala, izay mifanakaiky laharana amin’ny voalohany na tafiditra any amin’ny manasa-dalana”, hoy i Zamabe, anisan’ireo mpitsara tamin’ny fifaninanana. Betsaka ny olona liana tamin’io lalao io taorian’ny Festival fanorona, natao teny an-toerana, ka antony nanaovana ny hetsika, raha ny fanazavana voaray hatrany. Notoloran’ny ben’ny Tanànan’Ambohidratrimo loka ny mpandresy. Hisitraka fampiofanana kosa ireo nandray anjara. Hitohy ny hetsika ary ho hita izany mandritra ny fotoam-pialantsasatry ny mpianatra.

Mino

Partager sur: