Fanabeazana sy fiarenana ara-tsakafo: mpianatra 24 000 hisitraka sakafo any an-dakilasy

Nidinika ny sahanasa iarahana ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny herinandro lasa teo, nandritra ny roa andro.

Notombanana ny asa vita ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 ary nojerena manokana ireo sekoly hisitraka ny tohana ara-tsakafo, ao anatin’ny tetikasa fiarenan’ny Rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara (FSRP). Mite­tina 40 tapitrisa dolara ny vola hampiasaina amin’ny tetikasa avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Haharitra telo taona ny asa fanohanana ny fanjakana amin’ny ezaka ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana. Zava-dehibe ny fitazomana ny ankizy tsy handao ny sekoly any amin’ireo toerana iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahantrana.
Hisitraka sakafo mafana hozaraina any an-dakilasy ny mpianatra 24 000 eny anivon’ny sekoly 800. Ireo mpamboly miisa 20 000 eny an-toerana ihany no hividianana ny vokatra hampiasana eny amin’ny toeram-pisakafoana. Faritra voakasiky ny tetikasa ny any Androy, Anosy, Atsimo An­drefana, Atsimo Atsinanana, Vatovavy sy Fitovinany , Vakinankaratra Analamanga ary Itasy. “Tsapa fa nitondra tombontsoa ho an’ny mponina niantefany ny fividianana ny akora fototra eny amin’ny tantsaha”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny FSRP, Rafali­manana Olivia. Mitondra fidiram-bola tsy tapaka ho an’ny mpamboly ny fividianana ny akora fototra sady miantoka ny kalitaon’ny sakafo omena ny mpianatra.
Efa nankatoavin’ny fanjakana malagasy ity fomba fiasa ity hoentina manamafy ny fanjarian-tsakafo sy ny fanabeazana ary ny fiarenana ho fanampiana ny toekarena eny ifotony. Hitondra ny fahaiza-manaony anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny Pam miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tanjona ny hahazoan’ny mpianatra sakafo raha vao miandoha ny taom-pianarana ho avy ka vonona hifanome tanana amin’ny fanjakana ny Pam, araka ny fanazavan’ny solontenany eto amintsika, i Mamadou Mbaye.

Vonjy

Partager sur: