Mpino silamo Chiite Nankalaza ny Aïd al-Ghadir

Nankalaza ny Aïd al-Ghadir ny mpino silamo Chiite eto Antananarivo, ny talata lasa teo. Niara-niombom-bavaka sy nisaotra an’Andria­manitra tetsy Andohatape­naka izy ireo nandritra izany. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-mifety teo amin’ireo mpino ny fotoana. “Fety lehibe ho an’ny mpino silamo izy io satria andro fanehoana sy fampahafantarana ny lehibe mpitarika, taorian’ny mpaminany farany”, hoy ny filoha nasionalin’ny Ummi Madagasikara, Sheikh Rijaly. “Rehefa akaiky ho tapitra ny fampielezana nataon’ny mpaminany farany tety an-tany dia nomen’Andriamanitra baiko izy ny hampahafantatra ampahibemaso ny olona izay nandimby toerana azy mandra-pahatonga ny farandro”, hoy hatrany izy. Lamina napetrak’ Andria­manitra ny tsy maintsy hisian’ny mpitarika ny zanak’olombelona ety ambonin’ny tany. Nambarany fa mankalaza izany avokoa ny mpino silamo rehefa mahatsapa ny hasarobidin’io andro io. Fotoana mifanindry amin’ny 18 ny volana «Dul-Hiju»1445 izy io.
Nirary soa ny vahoaka malagasy ihany koa izy ireo amin’ny fahatrarana ny asaramanitry ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Mba hijoro hatrany ny vahoaka manoloana izao fankalazana ny fetim-pirenena izao fa tsy hiraviravy tanana. Nifanandrify tamin’ny fankalazana ny 25 jona moa io andro io, ankatoky ny Asara­manitra. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny ara-toekarena sy sosialin’ny firenena ihany koa ny mpino silamo, izay marihina fa 15 isan-jaton’ny mponina.

Mino

Partager sur: