CSB Ampataka: afaka misitraka vaksiny isan’andro ny mponina

Anisan’ny CSB nisitraka tombontsoa tamin’ny tetikasa Miarova ny ao Ampataka, izay tarihin’ny lehibeny, Andrianantenaina Princi. Vata fampangatsiahana vaventy mandeha amin’ny herin’ny masoandro no azon’izy ireo tamin’izany.
Afaka manao vaksiny isan’andro ny CSB amin’izao fotoana, satria efa arifomba ny vata fampangatsiahana fitehirizana ireo vaksiny ary mandeha andro aman’alina mihitsy izany. Efa niofana amin’ny fikarakarana ireo fitaovana ihany koa ny lehiben’ny CSB.
Teo aloha, voatery mandeha an-tongotra any Morondava maka ireo vaksiny isam-bolana ary voafetra anaty fotoana fohy ihany ny fitehirizana izany. Nandeha tamin’ny solika fandrehitra ny vatakely fitehirizana ny vaksiny tamin’izany ka manano sarotra rehefa tsy misy ny solika na tapaka ny jiro any amin’ireo toerana misy herinaratra. Potika ny vaksiny ary ariana fotsiny mihitsy.
Toerana saro-dalana, any amin’ny 50km miala ny arabe no misy ny CSB Ampataka. Tsy misy fiara fitateram-bahoaka fa dia an-tongotra no hamonjen’ny olona ny tanànan’i Morondava.
6 288 ny mponina amin’ireo fokontany 5 manodidina. Misy ireo mipetraka any amin’ny 22 km miala amin’ny CSB.
Miara-miasa amin’ireo mpanentana ara-pahasalamana ny CSB mitety fokontany manao
vaksiny mahazatra ho an’ireo ankizy sy reny bevohoka ary ny vaksiny covid19 ho an’ireo olona marefo.

Tatiana A

Partager sur: