Noelin’ny firaisankina : hizaran’ny Orange Solidarité sakafo sy kilalao ny fianakaviana 2300

Hetsika fanaon’ny Orange Solidarité Madagascar ny ma­malifaly sy mizara fanomezana sy sakafo ho an’ny ankizy sy ny fianakaviana sahirana, rehefa fetin’ny Noely isan-taona. Teny amin’ny kianjan’ Alarobia no nanaovana ny hetsika ny faran’ny herinandro teo izay mbola hitohy amin’ny toerana maro manerana ny Nosy amin’ity herinandro ity. Mahatratra 2 300 ny fianakaviana hisitraka ny fanomezana sy sakafo ao anatin’ny noelin’ny firaisankina. 148 ny ankohonana tsy ma­nan-kialofana izay sahanin’ny minisiteran’ny Mponina eny anivon’ny foibe roa eto An­tananarivo niaraka amin’ny ankizy mpatory an-dalambe 355 nifaly tao anatin’ny hetsika samihafa. Afaka hanao fety ny fianakaviana fa nozaraina vary, menaka, sardine, labozia…Nisy koa ny fampilalaovana niaraka amin’ny «alea des possibles» sy fakana sary niaraka amin’ny dadabe noely ho an’ny kilonga madinika.

14 ny faritra tohanan’ny Or­ange hizarana ny fanampiana ho an’ny olona 1400, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Or­ange solidarité, Arson Benja.
Niarahana tamin’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra ny hetsika satria efa mpiara-miasa ny roa tonta. Nomarihin’ny Talen’ny asa sosialy eo anivon’ny kaominina, dokotera Raharinan­dra­sa­na Hajatiana fa vao avy nampitaovana ny toeram-pandraisana ireo ankizy niharan’ny herisetra ny Orange solidarité.

Vonjy A.

Partager sur: