Adidy fa tsy seza

Vita izy izay! Nilamina ny zava-drehetra. Misokatra ho an’ny solombavambahoaka vaovao ny Lapa eny Tsim­bazaza. Nivoaka ny didy tsy azo ivalozana. Tsy misy intsony ny fampiakarana raharaham-pitsarana na aiza na aiza. Izay te hiady amin’ny resaka ady heloka bevava sisa no afaka manenjika ny kandidà nifaninana, noho ny fandikan-dalàna hafa.
Miroso amin’izay ny dian’ny ekipan’ny filoha Rajoelina Andry, mankany amin’ny fampandrosoana izay nilokalokany. Efa mipetraka eny ambony kianja ny mpilalaony, izay nahazo ny maro anisa hatreto. Mipetraka rahateo ny fifandanjan-kery eny anivon’ny mpanao lalàna. Mbola misy depiote 60 afaka ny ho tompon’ny teny farany ihany koa rehefa misy ny ilana izany. Miady ny lalao ary heverina fa tena ho herim-pampandrosoana ny mpanao lalàna manomboka izao.
Zava-dehibe ny nandrenesana ny toerana noraisan’ny depiote avy amin’ny tsy miankina. Nisafidy ho mpitondra fitoniana izy ireo. Manao antso avo ho amin’ny firaisankinan’ny samy Malagasy, izay hany lalana hialana amin’ny mety hampikatso ny fiainan-dRamalagasy.
Zava-dehibe ny fipetrahana ho elanelam-panahy, mitondra any amin’ny fampivondronana ny mpiray tanindrazana.
Tany masina i Madagasikara. Tsy mendrika ny ho ko­ron­tanina sy hanjakan’ny tsy rariny. Manan-jina ihany koa ny mponina ao aminy, mendrika ny homen-kasina. Tsy ny politika politisiany velively no afaka hifehy sy hamaritra ny fiainan’ny Malagasy. Hinoana sy antenaina, araka izany, ny hisian’ny rivo-baovao hamelomelona azy.
Andrasana ny fivoriana voalohany iarahan’izy ireo, izay hametrahana ny birao maharitra, handrindra ny asa. Heverina fa olona mendrika, hiavaka amin’ny asa no handray ny andraikitra fa tsy ny « seza ». Miandry azy ireo i Madagasikara.

r.r

Partager sur: