Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fifaninanana “Masters 2024”, dingana voalohany izay natao tany France. Resin’ny mpilalao voafantin’ny mpampiantrano, 13 no ho 1 izy ireo, nandritra ny manasa-dalana.
Notanterahina, omaly, tany Saint Gilles Croix France, ny fifanintsanana “Masters 2024”, dingana voalohany, taranja tsipy kanetibe. Raraka teo amin’ny lalao manasa-dalana ny ekipam-pirenena malagasy, rehefa lavon’ny ekipa frantsay, mpampiantrano, 13 no ho 1.
Tsy nahatohitra an-dry Dylan Rocher, i Henri La Croix sy i Jean Feltain ary David Roerr, mpilalaon’i France 2, mihitsy ny Malagasy nisy an-dry Baloti, Havana sy Hery ary Tselonina, tamin’ity dingana alohan’ny famaranana ity.
Efa nitarika 4 no ho 0 ny frantsay, vao nitoko iray ny Malagasy mpilalao. Tsara marihina fa “7 mènes” ihany nataon’ny roa tonta.
Raha hiverenana ny dingana vitan’i Madagasikara tamin’ ity fifaninanana ity, resin’izy ireo, 13 no ho 9, ny ekipa “Wild–Card” misy an’i Philippe Quintais, frantsay mpilalao efa nandrombaka ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany in-17, nandritra ny lalao voalohany. Nampiondrehan’i Madagasikara tamin’ny isa mazava, 13 no ho 7, ny ekipa voafantin’ny Saint Gilles, teo amin’ny lalao faharoa.
Tsara ny vokatra
Azo lazaina fa tsara ihany ny vokatra ho an’ny Malagasy tamin’ity “Masters” ity, efa teo am-pototry ny famaranana izy ireo no nihintsana. Tsiahivina fa izao indray i Madagasikara vao nahazo fanasana hiatrika izany. Ampahatsiahivina ihany fa tsy afaka niatrika izany mihitsy ny ekipa nasionaly malagasy teo aloha, noho ny sazy nianjady tamin’ny Federasiona malagasy (FSBM).
Raha ny fikarohana, hatao any Nevers, ny 21 hatramin’ny 22 aogositra ho avy izao, ny dingana faharoan’ity fifaninanana ity. Ankoatra izay, hiatrika ny fifaninanana La Marseillaise, manomboka ny 30 jona hatramin’ny 5 jolay ho avy io ny ekipa malagasy.
Fitia Randria