Vanim-potoana ankehitriny: tsy manan-kambara ireo mpikirakira kolontsaina

Miova atsy, miova aroa ! Samy manana ny « Afindrafindrao »-ny, ny tsirairay. Mitompo teny fantatra ny sasany. Samy maneho ny heviny manoloana tranga iray. Mahay sa tsy mahay ny zavatra resahiny izy ireny? Fa nankaiza ireo « tompon’ny kolontsaina »?

Ny «Miteraha fito lahy sy fito vavy», lazaina fa diso fa «miteraha fy toa lahy, fy toa vavy» no marina! Dia, samy milaza ny heviny eo. Tsy ela fa vao nivalona andro vi­tsivitsy. Nanjary niteraka resabe ny nihirana ny «Ry Tanindrazanay malala», tetsy Mahamasina. Heno ny « iny no tena izy manaraka ny solfa, fa tsy heno «fotsiny» ny feo voalohany ». Hoy indray ny feo re tetsy sy teroa nandritra ny nanamarihana ny 26 jona, niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena : «Arahabaina tratry ny asaramanitra e»!…
Ampahany ihany ireo, saingy, nahatazanana tranga maro. Anisan’izany ny fahitana fa toa tsy manan-kambara ny mpikirakira kolontsaina. Inona ny antony tsy hitenenan’izy ireo manoloana ny zava-tsy mety? Mitazam-potsiny, tsy mandray andraikitra. Tafiditra ao anatin’izany ny mpandalina na ny manam-pahaizana, mpampianatra, mpahay tsikera, mpahay momba ny teny, sns. Ao koa ireo antim-panahy manana fahalalana lehibe momba ny Malagasy (tany, teny, fomba, finoana, tantara…).
Manana ny fiantraikany any amin’ny taranaka
… Satria, tsy miloa-bava manoloana ny zavatra hainy ireo mpikirakira kolontsaina. Vokany, manjaka be ny fisalasalana sy ny dika vilana ary ny famoromporonana fahatany. Ny ankizy sy ny tanora mandia izao vanim-potoana izao, miaina ao anatina savorovoron-kevitra. Nanjary tsy mahay manavaka intsony ny azy sy ireo nataony indran-draikitra. Tsy fantany ny lalan-kizorany. Ny lazain’iza no marina? Inona ny marina?
… Satria, miaro na nasaina miaro tombontsoa isan-karazany ny mpahay sy mpikirakira kolontsaina. Nanjary, tsy ahitan-teny ? Na, tsy izay loatra ihany koa fa fahalainana tsotra izao. Malaina, satria, efa mahazo veroka fa tsy hisy hihaino. Na, misy mihaino ihany fa tsy misy manaraka. Eto, tsy tombontsoa no arovana fa leo amin’ny zava-misy ny mpikirakira kolontsaina ka nisafidy ny tsy hiteny.
… Satria, tsy manan-kolazaina ny mpahay sy ny manam-pahalalana momba ny kolontsaina. Azo antoka fa tsy hanana taranaka tsara fototra i Madagasikara!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: