Rija Rasolondraibe: tontosa ny fiaraha-midera an’Andriamanitra

Natao ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Palais de sports Mahamasina, ny fampisehoana maimaimpoana nataon’i Rija Rasolondraibe. Nampitondraina ny lohateny hoe : “Izay vonona no mandeha”. Nanakoako tao an-toerana ny hiram-piderana fisaorana an’Andriamanitra. “Fanati-piderana hisaoran’Andria­ma­nitra ny fampisehoana natao iny ho anay ary efa faniriana sy efa ela tao am-pon’ i Rija Rasolondraibe izany”, hoy ny Pasteur Raherivahatraina Mahandry, filohan’ny tarika. Antony nandrisika ny maro hijery izany ny efa fankafizana hatramin’izay ity mpanakanto ity sy ny fitiavana midera sy mankalaza an’Andriamanitra. “Mampahery sy mampifalifaly ary tsy mahakivy fo ny fampisehoana”, hoy i Njara, mpankafy. “Tsapa ho miara-miaina sy mijoro eo anatrehan’Andriamanitra tanteraka kosa nandritra ny seho”, hoy kosa i Nambinina, mpankafy hafa. Anisan’ny hira tsy afaka am-bavan’ny maro ny hoe : “nalainao avy lavitra”, “taranaka voafidy”, “miredareda”, “mpamaky ranomasina”… Ho atao etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny volana aogositra izao, indray ny seho manaraka, raha ny fanambarana nataon’i Rija Rasolondraibe teny an-tsehatra.

Mino

Partager sur: