Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, «Euro 2024». Fihaonana tanterahina any Allemagne. Ny sabotsy lasa teo, nahintsan’ny La Nati Suisse, teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana, ny Squadra Azzura Italie, tompondaka farany. Resin’izy ireo, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0. Baolina matin’i Freuler, teo amin’ny minitra faha-37 sy ny an’i Vargas minitra faha-46. Tsy nahavita nametraka ny lalaony mihitsy ny italianina, nandritra ny 90 mn. Nofehezin’i Suisse tanteraka ny kianja na teo amin’ny fiarovantena na teo amin’ny fanafihana. Manohy ny diany ihany koa ny Mannschaft Alemana, rehefa nanilika an’i Danemark, tamin’io isa 2 no ho 0 io ihany koa. Nahafaty ny baolina ho azy ireo i Havertz, teo amin’ny faha-53 mn sy ny an’i Musiala, 68 mn.
Hitohy anio ny lalao ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fihaonan’i France sy i Belgique. Fantatra fa tsy anisan’ireo hilalao ao amin-dry zareo Belza, i Thibaut Courtois, mpiandry tsatoby. Portugal kosa hifanehitra amin’i Slovenie.
Tompondaka