Manova famindra

 

Samy miomana amin’ny fanovana governemanta indray aloha izany ny rehetra manomboka izao. Vita iny ny fifidianana solombavambahoaka. Nilamina ny zava-drehetra na maro aza ny mpamendrofendro sy ny mpanatsatso, indrindra ny mpandrangitra. Nahoraka rahateo ny hala-bato sy
ny hosoka, avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Mazava anefa ny an’ny vahoaka, tsy mila korontana intsony ny Malagasy.
Iza no ho praiminisitra? Ho praiminisitra mandra-pahafatiny ve ilay Ntsay Christian? Tsy tian’ny TGV iny fa manana ny olony koa ny antokon’ny Filoha? Ambeti-tenin’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina avokoa izany. Fanontaniana miverimberina matetika, ilam-baliny haingana rahateo. Mbola tsy amin’ity herinandro ity kosa anefa. Amin’ny herin’ny talata vao hivory tsy ara-potoana ny solombavambahoaka vaovao.
Ny alin’ny faha-9 jolay vao hivoaka ny lisitr’izay olona ho Praiminisitra, hatolotry ny maro anisa eny amin’ny Anteni­mierampirenena, Tsimbazaza. Efa misy ny anarana mivoaboaka etsy sy eroa. Misy ny feo miely any anatin’ny vondrona sy antoko politika fa ny depiote no tompon’ny teny farany amin’ny anarana hatolotra ny Filohan’ny Repoblika.
Tsy mbola fantatra mazava ihany koa ny ho firafitry ny governemanta vaovao hivoaka eo. Hanao ahoana ny mom­ba ireo kandidà depiote izay tsy lany kanefa efa nametra-pialana tsy ho ao anatin’ny governemanta? Raha amin’ny tany tena demokratika aloha, dia tokony tsy hiverina anaty governemanta intsony izy ireny…
Politika rahateo no atao ka asakasak’izay tsy hilalao. Na izany aza, tokony ho ny tombontsoan’ny firenena hatrany no ho lohalaharana sy tokony hibaiko ny fitadiavan-tseza.  Fo­toana tsy maintsy hanovan’ny antokon’ny fitondrana famindra rahateo izao, noho ireny voka-pifidianana ireny.

r.r

Partager sur: