Unicef; “Afapo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy”

Noraisin’ny filohan’ny Repoblika teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, omaly, ny delegasiona avy amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Unicef, notronin’ny solontena maharitry ny Firenena mikambana miasa eto amintsika.

Mahafa-po ny Unicef ny fiaraha-miasany amin’ny fanjakana malagasy eo amin’ny sehatra maro: fahasalamana, fanabeazana ary ny fiarovana ny zaza amin’ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Marefo ny ankizy manoloana ireo, hoy ny filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Unicef, Ernest Rwa­mucyo nandritra ny fihaonany tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Hijery ny asa vita amin’ireo sehatra ireo no anton-diany eto Madagasikara ary hitsinjo sahady ny fitohizan’izany. Nambaran’ny Filohan’ ny Repoblika fa nahavita dingana lehibe i Madagasikara satria niakatra ho 86% ny tahan’ny ankizy vita vaksiny. Vokatry ny fanohanan’ny mpiray ombon’antoka, toy ny Unicef, ny Gavi ary ny OMS, nandritra ny Herinandron’ny fanaovam-baksiny sy ny hetsika fanatrarana ny tanjona ho an’ireo ankizy tsy mbola nisitraka vaksiny mihitsy no nahatonga izany. Narisarisa ny fanaovam-baksiny tao anatin’ny vanim-potoana niparitahan’ny valanaretina Covid 19. 39% monja ny taham-pahatanterahan’ny vaksiny.
Tombony lehibe ho an’i Madagasikara koa ny fahavitan’ny toeram-pitahirizana vaksiny lehibe indrindra aty Afrika naorina eny Ivato, manatsara ny tolotra fanaovam-baksiny manerana ny Nosy. Fotodrafitrasa vao notokanana tsy ela. Manampy betsaka amin’ny fitaterana ny vaksiny sy ny fanomezana vata fampangatsiahana fitahirizana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny mpiray ombon’antoka. Misy ny antoka fa tsy ho tapaka ny famatsiana any amin’ireo toerana saro-dalana.
Mbola nanamafy koa ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, nandritra ny fananganan-tsaina, fa mitohy hatrany ny Campagne de vaccination -AVS Polio, hahafahana misoroka ireo aretina maro samihafa, indrindra ny fitohizan’ny Grand rattrapage de vaccination, hahafahana miaro ireo zaza malagasy manerana ny Nosy.

Vonjy

Partager sur: