Efa mpilalao amina karazana fisarihana Rafalimanana Haja Fetra, saingy tsy mbola nitsikian’ny vintana mihitsy hatramin’izay. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, tsy nampoiziny fa izy no tsara vintana voasarika tamin’ny lalao nataon’ny Yoplait ka nahazo ny fivahinianana any amin’ny Nosy Maorisy.
“Tampoka tamiko ny fahazoako ny loka ka faly sahirana aho”, hoy izy. Mpanjifa tsotra amina tsenakely tsy voafaritra teto Antananarivo i Haja ka tsy mba nihomana amin’izany loka goavana izany. Tsy mbola nivoaka an’i Madagasikara rahateo ny tenany ka raisiny ho zava-dehibe ny fisitrahana ny loka.
Natao ny herinandro teo, teny Maibahoaka Ivato, ny fisarihana tamin’ireo olona maherin’ny 7 hetsy nandray anjara ka ny 10 tamin’ireo no nizarana loka ary nosokajiana ho mpanjifa mahafatra-po.
Vata miisa 300 no napetraka teny amin’ny toeram-pivarotana tsotra sy magazay lehibe izay nifampizaran’ireo toeram-pivarotana manodidina ny 3 000 isa.
Tatiana A