Fanadinana BEPC: miisa 299 130 ny mpiadina manerana ny Nosy

Ny taranja Malagasy sy Science de la vie et de la terre no natrehin’ny mpiadina BEPC manerana ny Nosy, omaly tontolo andro. Miisa 299 130 ireo nisoratra anarana manerana ny faritra 23, hiparitaka amin’ny efitrano fanadinana 8 888 izy ireo, voatsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 1 079 isa. Mizara ho sokajy A sy B ny mpiadina, 153 082 amin’izy ireo no nisafidy ny sokajy A raha 146 048 ny ao amin’ny sokajy B.
Teny amin’ny CEG Am­pefiloha no nanatanterahin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana, Pr Randriamanantany Zely Arivelo, ny fanofakana ofisialy ny laza adina sy nizarany izany tamin’ireo mpiadina. Nanara-maso ny fizotry ny fanadinana tao amin’ny Lycée moderina Ampefiloha izy sy ireo ekipa notarihany avy eo. Nanentana ireo mpiadina tsy hanadino ireo taratasy sy fitaovana ilaina mandritra ny fanadinana izy ary niangavy ireo ray aman-dreny tsy ho vosariky ny fandrika ataon’ireo milaza fa nahita laza adina mialoha.
Nanambara ihany koa ny minisitra fa arakaraka ny isan’ny mpiadina isaky ny ivontoeram-panadinana no hanafaingana ny fivoahan’ny valim-panadinana, aorian’ny fahavitan’ny fitsarana ireo taratasim-panadinana rehetra. Mandray ny fepetra rehetra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana ao anatin’ny filaminana, manomboka any amin’ny famoronana ny laza adina ka hatramin’ny fivoahan’ny valim-panadinana ofisialy.

Vonjy

Partager sur: