Akademia Malagasy : mampanao fifaninanana famoronan-dahatsoratra

Tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Mampanao fifaninanana famoronana lahatsoratra ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy. « Ny teny malagasy, sompi-pahendrena », no lohahevitra. Ma­morona lahatsoratra mitantara fohy ny niavian’ny anaran-tanàna roa na anarana olo-malaza roa na anaran-tanàna iray sy olo-malaza iray ny mpifaninana. Kajina ny tsipelina sy ny rafi-pehezanteny.

Atao sora-milina na sora-tanana. Raha sora-milina, roa pejy (Arial 12, elanelan’andalana : 1,5; moron’ny taratasy : 2,5 ny havia sy havanana, ny ambony sy ambany). Sora-tanana, efatra pejy, asiana morony 2,5 sm ny havia sy havanana, ny ambony sy ambany). Tsy asiana ny anaran’ny mpanoratra na marika hamantarana azy ny lahatsoratra.
Mahazo mandray anjara amin’ny fifaninanana ny sokajin’olona sy sokajin-taona rehetra. Valopy roa lehibe sy valopy kely no ampiasaina. Atsofoka ao amin’ilay valopy lehibe ny lahatsoratra sy ilay valopy kely misy ny taratasy mombamomba ny mpifaninana (Anarana feno, asa atao, taona, adiresy, laharan-telefaonina). Alefa paositra na aterin-tanana amin’ity adiresy ity : Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy -Tahala Rarihasina Analakely

(Rihana faharoa) 45 – 47 Lalana 26 jona 1960 – 101 Antananarivo. Nisokatra ny 21 mey ny fandraisana ny lahatsoratra. Mifarana ny 12 jolay. Ho an’izay mandefa paositra, ny fitomboky ny paositra no manamarina izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: