Nilatsaka sahady ny fampiomanana. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikàn’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), omaly. Nambaran’ny sekretera jeneraly nasionaly, Rakotoarison Claude Marie, nanao sonia izany, fa tena nitotongana ny sehatry ny fampianarana teknika nandritra ny taona maro. Manoloana izany, nametraka fepetra sy masontsivana izy ireo amin’ny fanendrena ireo tomponandraikitra isan-tokony eo anivon’izany minisitera izany. “Takinay mba homena lanja ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ny hotendrena ho amin’ny fitantanan-draharaha eto anivon’ny minisitera. Anisan’izany ny minisitra”, hoy izy. Natsidiny fa olona mahalala sy manana vina entina mampandroso ny sehatry ny fampianarana sy ny fanofanana arakasa ary manaraka ny voalazan’ny “Chapitre 083”. Eo koa ny hanajana ny mpiasa, araka ny nambarany hatrany.
Notsiahivin’ny fanambarana fa anisan’ny nampitotongana ity minisitera ity ny nampitambarana azy amin’ny Fanabeazam-pirenena (Men). Avy eo nosarahana indray. Eo koa ny fanendrena tomponandraikitra sy mpitantana avy any ivelany tsy mahalala sy tsy manana vina hampandrosoana ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. “Zary tsy mitombina ny ambara fa kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny firenena nefa tsy araka izany ny zava-misy”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa i Lalatiana Rakotondrazafy no minisitra nitantana ny MEEFTFP farany teo.
Synèse R.