Tarika Telofangady : hira 30 no alahatra rahampitso

“Hiran’ny tarika manontolo, tsy misy fangarony, no alahatray”. Io no nambaran-dRahaja, lehiben’ny tarika Telofangady. Mahakasika ilay fampisehoana “Gasikarako”, izay hotontosain’ izy ireo etsy amin’ny Ivokolo Analakely, rahampitso 7 jolay manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hira manodidina ny 30 isa eo izy ireo, izay misy vaovao sy ireo nampalaza ny Telofangady hatramin’izay.
“Fotoana iray hampahafantaranay ireo hira vaovao ao anatin’ny rakikira fahefatra, izay vao nivoaka io. Hiaraha-mikalo ihany koa ireo hira taloha”, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy nivaona tamin’ny rindra, ny angola ary ny fototry ny mozika nahafantarana azy hatrany amin’ny “Gasikara I” ny tarika Telofangady. Hasehoan’izy ireo koa anefa fa manohy mivoy ireny hira Vokatry ny tany ireny hatrany ry zalahy. Vao mainka ho feno ny seho, satria niverina hanatevina ny tarika i Dokotera, hanampy an-dry Marco, Christian, Ramôda, Petit ary Rahaja. Hanakoako indray, araka izany, ireo hira tena be mpankafy: “Mba farafaharatsiny”, “Toamasina”, “Iarivoko”, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: