INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tao Ambohidahy, ny delegasionina avy amin’ny Vondrona eoropeanina. Nodinihina niaraka ireo olana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Anisan’izany ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo, ny ady amin’ny areti-mifindra (tazomoka, VIH/ Sida, tiberkilaozy) ary ny fanatrarana ny vaksinin’ny zaza.
Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mpisolo toerana ny delegasiona avy amin’ny Royal Botanic Gardens Kew. Vontoatin’ny fitsidihana ny hanaovana ny asa fikarohana ho fampandrosoana ifotony, ny fiarovana ny tontolo iainana sy ireo harena voajanahary ananan’i Mada­ga­si­kara. Hisy ny fampiofanana iarahan’ireto mpiara-miombon’antoka ireto amin’ny Malagasy mpikaroka.
Ho fiatrehana mialoha ny rivodoza, taom-pahavaratra 2024-2025, nisy ny fanazarantena amin’ireo andraikitra tokony hosahanina mialoha ny fahatonga­van’ny saina mena. Faritra telo: Atsinanana, Boeny ary Analamanga, izay toerana iasan’ny Croix Rouge Malagasy no nanaovana izany, izay notarihin’ny BNGRC sy ny CRM.

Partager sur: