Fitantanana eny ifotony: niofana ireo tomponandraikitra mivantana

Natao tamin’ity herinandro ity ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitantana ifotony amin’ny tamberin’andraikitra, ny fahombiazana ary ny fandraisana andraikitra amin’ny olom-pirenena. Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra avy amin’ny minisitera isan-tsokajiny sy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eto amin’ny faritra Analamanga. Eo koa ny fitantanana tetikasa sy fitantanana mifototra amin’ny vokatra.
Ahafahana mametraka ny olona amin’izay asa tokony ho sahaza azy, araka ny tanjona tamin’ny fanavaozana ny fitantanana ny maha olona eo anivon’ny asam-panjakana.
Niarahana tamin’ny tetikasa Rindra ny atrikasa, izay fandaharanasan’ny fanjakana vatsian’ny USAID vola ary tanterahin’ny Pnud.
Ilaina ny fanamafisana ny traikefa, ampifanarahana amin’ ny zava-misy, hanatsarana ny fanatanterahana ny asa sy ny fitantanana ny mpiasa eny anivon’ireo biraom-panjakana mikirakira ny taratasim-panjakana sy manome tolotra ho an’ny vahoaka.

Tatiana A

Partager sur: