Sombim-baovao

Nifarana omaly, teny amin’ny ANS Ampefi­loha, ny fampiofanana ireo ankizy mpikatroka, taranja Karaté. Miisa 28 mianadahy teo izy ireo no niatrika izany teny an-toerana, nandritra ny efatra andro. Ankoatra izay, ny volana septambra ho avy izao ny Malagasy mpikatroka dia hiady ny ho tompondakan’i Afrika any Tunis.
Nangoron-damba ny ekipam-pirenen’i Brésil, omaly, nandritra ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Amerika, “Copa America 2024”, izay atao any Etazonia. Lavon’i Uruguay, tany amin’ny “ tirs au but”, 4 no ho 2, ry zareo brezilianina. Hifanandrina amin’i Colombie, ny ekipa nasionalin’i Uruguay.
Hotontosaina ny talata ho avy izao, ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, izay tanterahina any Allemagne. Hano­katra ny lalao amin’izany ny fifanandrinan’i France sy i Espagne. Ny alarobia ho avy izao kosa, ny fihaonana eo amin’i Pays-Bas sy i Angleterre.

Partager sur: